lundi 18 juillet 2011

Tetika tsakitsaky

Dia ho resa-kanina ihany angamba ny androany hihihi

Jereo ireto tsakitsaky rey olona !
Mba tsy aritro ihany ny fijerena sy fisaintsainana ny tsakitsaky mandritra ireny lanonana ireny an ! Na lanonana ara-panjakana na anivon'ny orinasa, eny fa na samy eo amin'ny mpianakavy aza dia izao no tsikaritra : be menaka, mafilotra, mampilela-tanana sy mampilela-molotra ny sakafo aroso. 
Santionany fotsiny io aseho amin'ny sary io. Hany ka ny mba tetika atoroko (raha izaho mihitsy an) dia misakafo tsara ao an-trano aho izay vao mamonjy ireny fetifety ireny.
Eo ihany ny resaka hoe sakafo be menaka, fa eo indrindra koa ny fotoan-gasy fanaontsika ! Tsy mbola nahita fihaonana samy Malagasy (eny fa na ny misy vahiny aza!) mba manomboka ara-potoana aho. Tsy fitsikerana izany fa izay no fanaontsika koh !
Ka rehefa voky tsara ianao miala ao an-trano dia sady tsy vizana miandry fanombohan-draharaha, no tsy mitsatoka ao amin'ny ambavafonao rahateo ny menaka be ;-)



Aucun commentaire: