jeudi 21 juillet 2011

Mampihomehy sady mampieritreritra

Ny andavan’androntsika marina rey olona dia ahitana trangan-javatra mahatsikaiky an ! 

Raiso ho ohatra fotsiny izao : tetsy Analakely tamin’ny herinandro lasa iny, raha sendra niampita arabe ny tenako, dia nitsamboatra satria sendra rangahy nihazakazaka tandrifiko. Noheveriko fa miampita koa izy io nefa vetivety dia tazako fa hay vola 1 000 Ar notsofin’ny rivotra teo an-tsisin’ny arabe no novonjeny nitsahina !

Avy eo indray, indro koa lehilahy hafa niolomay tahaka ity rangahy ity mirimorimo afovoan-dalana, tsy mahalala izay fiara avy ao an-damosiny. Tandrifin’ny CCAC taloha, manamorona ny Lapan’ny Tanàna no nisehoan’izany.

Hay izy ireto mitsimpona vola taratasy maromaro latsaka amin’ny arabe ! Indro tokoa, mifanatrika amin’ny Lapan’ny Tanàna, roalahy mitaingina scooter mihaotra mijanona, no sady mihomehy : hay va re vola teny am-pelatanany no notsofin’ny rivotra ka latsaka teo ! Saika hiverin-dalana handray ny volany ry zareo kanefa toa naleony nandeha. Ny mpitsimpona koa efa maro be : tsy latsaky ny dimy na enina no nihazakazaka tao afara, hatramin’ny 100 Ar dia voaray soa aman-tsara !

Dia variana be aho marina ! Izany tokoa angaha ny hoe vola adalan-tompo, ara-bakiteny ?


Dia tsy hitan’ny olona intsony ny hakanton’ny rano etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna fa may tamin’ny vola latsaka amin’ny arabe ny sasany…..

Ohatra iray koa ity dokam-barotra (izany tokoa ve no filaza azy ?) mikasika ny TacTac (condom io fa tsy siligaoma an !) etsy Antanimena. 



Mba saika nihomehy aho fa menatr’olona ihany ! Alaivo sary an-tsaina hoe izany "effet glaçon " izany e ! Ary ilay fitenenana hoe Je Tac taquequette ? hihihi 

Izay indray àry ny anio fa dia ho entina mieritreritra ny zava-misy eto ambanin’ny masoandro izany rehetra izany.

Aucun commentaire: