lundi 31 décembre 2012

Tapitra ny taona 2012 : tratry ny farany e !

Andro farany amin’ity taona 2012 ity sahady ny anio ! Matetika tokoa dia fotoanan’ny jery todika ny vanim-potoana toy izao. Ary dia efa mibanjina sahady ny taona vaovao ho avy.

Eto Antananarivo, folo taona lasa izao na mihoatra izany, dia fanaon’ny olona ny mifampiarahaba hoe « Tratry ny farany ô ! ». Toa vazivazy no niantombohany, raha ny fahalalako azy. Dia mifanatsafa koa ny olona hoe « Samia ho tratry ny rahampitso e ! », miandrandra ny Taombaovao efa antomotra.

Etsy andaniny, miomana fatratra amin’ny « Réveillon » ny ankamaroan’ny olona. Edrey, ifaninanan’ny toeram-pilanonana samihafa koa ny fiantsoana ny olona : sakafo, fisotro, dihy sy fialam-boly isan-karazany no ampanantenaina izay ho avy amin’izany. Misy ny tsy afa-manoatra, noho ny antony samy hafa, ka tsy mba anisan’ny miari-tory.

Ka rehefa anontaniana azy izay mba fandaharam-potoana ny alin’ny 31 desambra dia toy izao no valiny :

-- Izahay aloha dia any Befandriana no alehanay e !

-- Any Amparafaravola ihany no sahaza ho anay kah !

Hatsikana ilazana fa matory izy (fandriana, farafara) ;-) Matetika ny olona efa bebe taona no misomonga toy izany.

Ary ianao ? Mba nanao ahoana ny taona 2012 niainanao ? Ho aiza ianao anio alina ? Ny firariako manokana ho anao dia fiadanam-po, fifaliana, ary fanantenana hatrany. Tratry ny farany e ! Dia matezà ny aina, samia ho tratry ny rahampitso an !

Aucun commentaire: