lundi 31 décembre 2012

Ny vavaky ny zanako (tohiny)


Andriamanitra ô,
Midera Anao izahay.
Misaotra Anao izahay nomenao ity andro ity,
Misaotra Anao nanome aina anay ka mbola afaka mivavaka toy izao,
Misaotra Anao amin’ny Teny izay nomenao ho sakafon’ny fanahinay androany,
Misaotra Anao koa amin’ny sakafon’ny nofo natolotrao ho anay.


Tompo ô,
Raha hatory izahay rehefa avy eo, dia tahio ny torimasonay, mba hilamina tsara ;
Mba ho afa-bizana tokoa izahay rehefa mifoha rahampitso,
Ka afaka hiatrika andro vaovao.
Tahio izay fikasanay amin’izany mba hahasoa anay.

Dia tahio koa, Andriamanitra, ny olona rehetra, mba hivavaka aminao tokoa,
Tahio ny firenenay, mba ho firenena matanjaka,
Manana ny maha-izy azy.
Ary mba hilamina ny taona ho avy ka tena handroso tokoa ny fiainan’ny mponina eto.
Tahio izahay hahay hanaja ny zava-boaary nomenao anay.

Izany vavaka izany dia atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanakao Malala.
Amen !

Aucun commentaire: