mardi 3 mars 2015

Tondraka Iarivo ! Mihotsaka ny tany eo Ampamarinana !



Ela no niainana teto Antananarivo fa ity vao tena orana maha-tondra-drano rey olona ! Vaky ny fefilohan’Ikopa sy Sisaony !

 
Sary : Agir avec Madagascar  


OLANA TSY TOKO TSY FOROHANA
Mahonena ny mahazo ny mponina manamorona renirano na amin’ny faritra iva : miakatra ny rano, dobo-drano ny trano sy ny manodidina !

Sary L'Express de Madagascar 


Mampihararetra ny manjo ireo amin’ny toerana avo : mihotsaka ny tany, maro no maty !

Sary L'Express de Madagascar 


Hatrany Ambatomaro, Avaratr’Ankatso, eo ambanin’Ampamarinana, mampatahotra ny fihozogozon’ny vatobe sy mety ho fihotsahan’ny tany. Kaohan’ny riaka ireo dia mihetsika. Efa nisy namoy ny ainy tao Ankadilalana, indrisy !


NY ALIN’NY ALAKAMISY 26 FEBROARY 2015
Efa nijojo isan’andro nandritra ny herinandro maninjitra ny orana teto Antananarivo, tsy nahataitra intsony ny lokon-danitra manjombona. Saingy miatoato ihany izany orana izany indraindray.

Fa ny tontolo andron’ny alakamisy ary indrindra ny alina manontolo dia mafy fiavy ny orana, tena tsy an-kiato !

Tamin’ny 7 ora alina mahery, nandefa filazana fanairana tamin’ny alalan’ny SMS-hafatra fohy amin’ny finday-ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes  na Birao misahana ny fitantanana ny loza vaojanahary) :

"Fanairana MAVO : Loza MANAMBANA. Mety hiakatra ny rano noho ny orana. Iangaviana isika hiala @ faritra iva, tsy hivezivezy @ renirano sy fefiloha. Samia isika mailo. 19h47"

Mampaneno anjombona ny Antsiva


Mampaneno anjombona ny Antsiva
Nanomboka tamin’ny 8 ora alina ny Radio Antsiva http://www.radio-antsiva.com/ no nitatitra mivantana ireo voka-dratsin’ny fiakaran’ny rano manodidina an’Antananarivo. Teny Atsimondrano (Ampanefy, Anosizato andrefana) dia efa vaky ny fefilohan’ny Sisaony.

Niantso ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) ny depiote Jaona Elite mba handefa lakana misy motera hamonjy ireo mponina mihitsoka tao Ampanefy, mitoka-monina ao amin’ny rano sy ny aizina ery amin’ny 1,2km miala ny morondrano.

Ny depiote Raharimasimanana Paul Bert (Rôssy) koa teo Mahamasina dia nitangoron’ny olona mila vonjy : mihotsaka ny tany manodidina an’Ankadilalana ! Niditra mivantana tao amin’ny Radio Antsiva koa izy ary anisan’ny antso avo nataony ny mba isokafan’ny Radio sy Televizionam-pirenena (lalao baolina no tao amin’ny TVM tamin’io). Tsy re feo mihitsy tokoa ny mpanatanteraka (Exécutif) nandritra io alina io.

Ho raketin’ny tantara
Eny, ho raketin’ny tantara tokoa iny alin’ny alakamisy 26 febroary lasa teo iny. Tsy hita na re feo mihitsy izany Filoham-pirenena izany, na ny Praiministra, na Ministra iray aza toa mbola natory an !

Antson’ny mpihaino tao amin’ny Radio Antsiva no maro : ao no miresaka ny tany mihotsaka, ao no manome soso-kevitra amin’ny fampiantranoana ny tra-boina (sekoly, fiangonana, tranom-panjakana samihafa).

Hatrany an-dafin’ny Riaka no niantso an-telefona ny tera-tany malagasy, onena mandre amin’ny Radio Antsiva http://www.radio-antsiva.com/ ny zava-mitranga aty an-tanindrazana : Marseille, Paris, Toulouse, Lyon…. Mifampitrotro am-bavaka !

Nisy ihany, an-koatra ny depiote Rôssy sy Jaona Elita nandehandeha tany, mitsinjo ny vahoaka :

-mpanao gazety tao amin’ny L’Express de Madagascar (Mahefa Rakotomalala),
-mpamonjy voina (Pompiers),
-skoto (nantsoin-dRamatoa Tatamo tao amin’ny Antsiva),
-ary Atoa Edgard Razafindravahy, PDS (Président de la délégation spéciale) Antananarivo teo aloha (2009-2014). Tsy niresaka izy fa ny depiote Jaona Elite no nanambara fa namatsy jiro (lampe torche) izy.

"Ilaina mihitsy ny jiro hoy Atoa Jaona Elite fa tena maizina be amin’izao !"

Nanamafy ny fiantsoana lakana misy motera sy "projecteur" koa izy hamonjena ireo mponina ao Ampanefy.

Tamin’ny misasak’alina dia niroso tao amin’ny Radio Antsiva Atoa Ny Hasina Andriamanjato (PDS Antananarivo amin’izao fotoana izao), avy nitety ireo toerana dobo-drano eto Iarivo, niaraka tamin’ireo mpamonjy voina.  Fampitoniana sy fampaherezana ny olona no teny nentiny, tsy fotoanan’ny fitsikerana fa fifandraisan-tanana izao hoy ny teniny.

Hita ihany ny mpitondra
Hany tompon’andraikitra re tamin’ny alin’ny alakamisy ? Ny Ministry ny Fampianarana, Atoa Paul Rabary. Teo amin’ny 11 ora alina dia niantso an-telefôna izy nanamarina fa tsy mianatra ny mpianatra eto Analamanga ny zoma 27 febroary noho ny fiakaran’ny rano.

Nanambara koa izy fa handraisana ireo tra-boina ireo sekoly EPP (Ecole primaire publique) izay azo anaovana izany.

Tamin’io antso io koa no nahalalana fa efa maromaro ireo ministra tonga ao amin’ny TVM, mivory maika (tsy tena mifoha tsara no fahitana ny endriny :-D )


INONA NO VAHA-OLANA ENTIN’NY MPITONDRA ?
Ny Asabotsy lasa teo, tonga tany Sabotsy-Namehana ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny Praiministra Jean Ravelonarivo. Toerana anisan’ny nitoka-monina ny zoma 27 febroary koa ny tany Avaradrano tany, noho ny fiakaran’ny rano.
Asa aloha raha faly ireo tra-boina tsidihin’ny Filoham-pirenena, fa teny mahery fibedibedena no nataony :

"Izao no vokatry ny kolikoly sy ny fanorenana trano amin’ny toerana tsy ara-dalàna" hoy izy.

Nanameloka ny mponina ve sa nampahery azy izany ?

Omaly tolakandro dia nampita SMS tamin’ny mponina indray ny BNGRC fa ahiana hihotsaka ny tany :

"Entanina isika mba hiala malaky @ ireto noho ny mety hihotsahan’ny tany : Avaratr’Ankatso, Ambolokandrina. Mandraisa fepetra ny ambanin’i Manjakamiadana. 12h46"

Tamin’ny halina teo dia nandalo teny Ambatomaro ny Filoha tamin’ny 11 ora alina. Nandinika ny zava-misy dia lasa. Diso fanantenana mafy ny mponina satria tsy mazava izay fepetra ho raisina. Ilay vato be anefa dia mitatao fatratra ! Indro lahatsoratra amin’ny L’Express de Madagascar 

Raha fehezina dia maro ireo olana iainana eto Iarivo : lalana simba (efa nisy nanamboatra nanomboka omaly an !), tondra-drano, tany mihotsaka…. Mazava fa noho ny lalana tapaka etsy sy eroa dia miakatra izaitsizy ny vidin’entana. Indrisy ry havako !



Aucun commentaire: