samedi 14 mars 2015

Ireo karazana hanoanana :-P

Efa tsikaritrao ve ? Efa niainanao ve ? 



Rehefa manomboka noana ny olona tafaresaka (any am-piasana, any am-pianarana) dia samy mitanisa ny loaka tiany. NOANA TENA IZY.



indraindray anefa, tsy noana mihitsy fa te-hihinana fotsiny. Dia mitsaingotsaingoka izay manoloana eo : voanjo, biscuit, chips sns… Io ilay te-hitsakotsako fotsiny. NOANA VAVA.



Misy indray mahita sakafo matsiro mampaha-te-hihinana, dia mirara-kivy fotsiny ! NOANA MASO.



Diniho araka izany ny hanoanana mahazo anao hihihi :-)

Aucun commentaire: