Efa miverina amin’ny andavan’androny sahady ny ankamaroan’ny olona amin’izao.
Ny tiana ambara dia ny fiverenan’ny mpiasa any am-piasana, sy ny fiverenan’ny mpianatra any am-pianarana.
Adinoko tokoa fa efa nirotsaka ny orana teto Antananarivo, nanomboka ny ….asabotsy 31 desambra 2011 ! Dia niaraka tamin’izany ny petsapetsa mahazatra, ny faritra iva dibo-drano, toa an’Andravoahangy ohatra (etsy amin’ny sary), na ny eny amin’ny firaisana faha-enina ka hatrany avaradrano.
Tsetsatsetsa tsy aritra moa izay, fa ny torimaso no vontoatin-dresaka anio :-)
Sary lacoloniesp.ca |
Mahasalama ny torimaso ampy tsara
Natao hatory, tahaka ny zavaboary rehetra, isika olombelona. Fotoana fialan-tsasatry ny nofo aman-drà izany, fotoana fanintsanana ny havizanana rehetra nandritra ny andro manontolo.
Rehefa matory isika, dia mamerina amin’ny laoniny ny hery rehetra ao aminy ny vatantsika : maso, sofina, fo, havokavoka, aty, ambavafo, sns….. Mahasalama tokoa izany an, ary ny fikarohan’ny mpahay siansa moa dia efa lasa lavitra mihitsy amin’io sehatra iray io, dia ny torimaso izany, sy ireo fahasoavana betsaka be entiny.
Tsy matory toa antsika io saintsika io, hoy ireo manam-pahaizana ireo. Mandritra ny torimasontsika no mamerina sy mandamina ary mandrindra ny fitadidiana ny atidohantsika. Andray ! Mahagaga izany an !
Ankoatr’izay dia tokony hatory eo anelanelan’ny adin’ny enina ka hatramin’ny valo ora isan’andro ny olona iray (adulte). Izany no fe-potoana heverina ho ampy hampiverina tsara ny heriny, hiatrehana andro vaovao am-pahavitrihana.
Rehefa tsara torimaso koa ny olona iray, dia mazava fa mahavita tsara ny asany rehetra.
Mahasoa koa, araka ny fikarohana, ny fiatoana kely amin’ny atoandro na ny "sieste" na koa lasiesta. Noho ireo soa entin’ny torimaso ireo. Fotoana fohy ihany io an, eo amin’ny 15 minitra ka hatramin’ny 30 minitra raha be indrindra dia ampy hiatrehana ny tolakandro indray.
Inona no mitranga raha tsy ampy torimaso ?
Manahirana io, satria mitarika harerahana mikiky tsikelikely ny fahasalamana izany. Na ny fifantohan’ny saina (concentration) na ny fahavitrihana (saina, vatana) dia mihena avokoa.
Tsy tsara koa, araka izany, ny fiaretan-tory misesy loatra. Mihena ny fitadidiana, ary tsy mahavita tsara ny asany na ny saina na ny vatana. Taratasy tsotra tokony hosoratana ohatra, dia toa sarotra rafetina ery. Na koa, ny fandalinana tahirin-kevitra dia manjary kitoatoa.
Manginy fotsiny raha fivoriana sarotra no atrehina raha tsy ampy torimaso, mety tsy ho vita araka ny tokony ho izy ny fifandinihana….
Mahazo matory ve any am-piasana ?
Eto Antananarivo moa dia efa saiky manao "journée continue" na miasa mitohy tontolon’andro ny ankamaroan’ny toeram-piasana. Miditra amin’ny 8 ora maraina ohatra dia mirava amin’ny 5 ora hariva, adin’iray fisakafoanana eo amin’ny 12 ora-1 ora tolakandro.
Izany no mahatonga antsika hanontany raha mahazo matory ny mpiasa eny amin’ny toeram-piasany. Toa mampihomehy ilay hevitra ô ?
Kanefa an, any an-dafin’ny Riaka, noho ireo soa be dia be voalaza momba ny torimaso ampy tsara, na koa ny lasiesta, dia efa voahevitra tokoa ny fatoriana any am-piasana !
Orinasa goavana be tahaka ny Google any Etazonia, ry Cisco Systems, Procter & Gamble, ohatra, dia efa nametraka fitaovana manokana ahazoan’ireo mpiasany matory ao am-piasany ! Seza malemilemy tsara an, misy sarony tsy andrenesana tabataba intsony ary tsy tanteraky ny hazavana, ary ahazoana mitsotra tsara toa ao anaty fandriana.
Mahazo matory ny mpiasany, mba havitrika kokoa rehefa vita ny tasiestany hihihi
Dia mazotoa ary amin’izay atao rehetra an ! Mirary soa ho anao :-)