Zary lasa fiteny io indraindray… Raha raisina ara-bakiteny, zovy moa no hibaby an’ireo olona efa lehibe ?
Kanefa mitranga ihany izany, eny. Tazana eny ihany indraindray ny olona efa be taona, tsy maintsy babena noho ny takaitra mahazo azy. Aza manjo tokoa anie izany !
Fa ny mba tsapako manokana, rehefa mandinika ny fiainan’ny zanak’olombelona, dia ny fampianaran’ny ray aman-dreny antsika, hatramin’ny fahazazana ka mandra-paha –ary elatra antsika. Aman-taona izany vao vita an !
Nampianariny niteny, nampianariny nihinana (ieee !), tahaka ny fitanana sotro fotsiny ohatra, nampianariny fahalalam-pomba, nampianariny miakanjo, mampiditra kiraro, odryyy…. natorony amin’ny zavatra rehetra e ! Eny, notantanany tsara tokoa raha isika mangozohozoho iny, vao niana-namindra, ntsôôô…. Dia raikitra ny hoe Ta-tà ! Ta – tà !
Ndryy…. Mahonena ô ? Am-pitiavana avokoa izany rehetra izany.
Dia indro, poa toa izay, rehefa mahazo taona izy, dia mba mamaly fitia isika taranaka. Tsy an-tery, fa mba am-pitiavana koa : raha sendra osa ny ray sy renintsika, mba isika indray no mitantana azy, na ara-bakiteny io, na ara-kevitra. Manohana azy, mampahery azy… Mitia azy tsotra izao.
Mirary soa hatrany ô !
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire