dimanche 27 septembre 2020

Taona 2020 : dia ahoana koa ?


Vonenina kely... 

 

Finaritra ! 

Miarahaba anao mpanaraka ity bilaogy ity.

Mivadibadika sy mivalona ary mihavao ny taona...

Niova ny zava-misy, niova ary mbola hiova ny zanak'olombelona.

Miovà amin'ny tsara sy marina kokoa raha mety. 

Dia mirary soa hatrany ho an'ny tsirairay avy.🙏

samedi 3 février 2018

Nahatratra taona 2018 !


Nivalona ny taona 2015 iny… 2016… 2017….

Faly miarahaba anao mpandalo sy mpitsidika ato nahatratra ny taona 2018 soa aman-tsara ! 

Nifanena tamin-dry Facebook ny tenanay ka tsy tafandalo tato intsony, tahaka ny sasantsasany amin’ny « blogger » fantatro (hihihi).

Firarian-tsoa ho anao, ny ankohonanao sy ny fiainanao manokana no entina eto. Ho an’ny mpandinika, mety ho sarotra ity taona vao mitsidika ity.

Tano ny finoana sy fahadiovana, aza kivy e !

« Vonona amin’ny zavatra rehetra, fa manantena hatrany ny tsara indrindra » hoy ny mpanabe iray izay.

Mandra-pihaona indray ary e ! :-)

mardi 1 décembre 2015

AMBATONAMELANKAFATRA : tosika ho an’ny Tantara an-tsary Malagasy !



AMBATONAMELANKAFATRA
Tahala Rarihasina, 25 novambra – 02 desambra 2015
Hetsika ho an’ny tantara an-tsary


Fa inona ity AMBATONAMELANKAFATRA ity e ?

Fikambanana telo HAYSARY, TANTSARY sy VOHITSARY no mivondrona ho AMBATONAMELANKAFATRA…sady hetsika -fampirantiana ombam-barotra- ihany koa.

Manana takelaka amin’ny Facebook ny AMBATONAMELANKAFATRA
https://www.facebook.com/ambatonamelankafatra/



Tantara an-tsary Malagasy ve ? Efa ela nietezana an !

Efa tamin’ny taona 1961 no nivoahan’ny Tantara an-tsary Malagasy voalohany : OMBALAHIBEMASO. Tantaran’Andrianampoinimerina io, voarafitra ho boky 3 mifampitohy.

Ny taona 1970 tany ho any dia tantara an-tsary hatsikana no tena hita ary ireo gazety fampahalalam-baovao no lafika nisehoany.

Nisy ihany ireo boky mitokana nivoaka, fa tsy mbola niroborobo firy.





Ny fivelaran’ny tantara an-tsary Malagasy : taona 1980 sy ny tohiny

Ny taona 1980 no ho mankaty no nanomboka nivelatra sy niroborobo ny tantara an-tsary Malagasy.

Nivory ireo mpiangaly tantara an-tsary teto Antananarivo ka nametraka vato fototra ho famelomana indray izany talenta sy kanto izany.

Nihamaro ny trano famoaham-boky ary rakotra boky ny tsena. Niseho avokoa ireo karazana tantara : hatsikana, horera, fanadihadiana, fanabeazana, fialam-boly tsotra, sns.



Ireo taninketsa mpandimby : Tsangy

Mipoipoitra etsy sy eroa ireo talenta mpanao sary, mirona amin’ny tantara an-tsary. Ao no mamoaka sary amin’ny gazety mpiseho isan’andro, ao ireo izay mbola vao mitady sehatra ivelaran’ny talentany.

Anisan’ny niketrika ny fifanatonan’ireo Zoky sy Zandry ireo Ratovoherinirina Michel, fantatry ny maro tamin’ny sonia hoe RAMIKA. Na dia nisy nisompatra aza ny diany tety an-tany ny volana oktobra 2015, manohy ny asa natombony ny mpanao sary namany ao amin’ny Ambatonamelankafatra.



Ireo no "Tsingy" sasany….RAMIKA etsy ankavia,
Alban R. Ratsivalaka, Mamy Raharolahy.
..

FAHATSIAROVANA AN-DRAMIKA



Ny AMBATONAMELANKAFATRA 2014 no fotoana niarahan’ireo zokiny tamin’ny taona 80’, misalotra ny fiantsoana hoe "Tsingy" sy ireo zandriny 30 taona aty aoriana, ireo "Tsangy" no tian-kambara.


Tsangy manao sariitatra

Ilay tovolahy sy ny sariitatra vita

Efa namoaka boky 02 (roa) ikambanany izy ireo nandritra ny AMBATONAMELANKAFATRA 2014, mbola misy hamidy mandritra ny hetsika 2015.

Ireto no andian-dahatsoratra an-gazety sasany mikasika ny hetsika nandritra ny herinandro, AMBATONAMELANKAFATRA 2015….







Ary ireo mpitsidika fampirantiana ?

Tamin’ny fotoana nandalovanay tao amin’ny Tahala Rarihasina dia olona liana avokoa ireo mpitsidika, na tanora na ankizy na ray aman-dreny.



 Ireo zokinjokiny moa dia anisan’ny mankasitraka sy mampirisika ny fivoizana ny kolontsaina Malagasy anatin’ny tantara an-tsary.




Afaka roa taona (2017) vao hisy ny andiany fahatelo amin’ny fampirantiana AMBATONAMELANKAFATRA… izay no hafatra an !



lundi 13 juillet 2015

Indray mitopi-maso ihany...


Ninia nangina aho nandritra ny volana maromaro mikasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Omaly tsy miova no ataon’ireo izay nomem-pahefana.

Mbola mijoro eto amin’ity bilaogy ity ny SAINA FOTSY, mariky ny tsy fanekena ny toe-javamisy eto amintsika.

Iombonako hevitra ny antso ataon’i Vahömbey ETO


Samia tsara e !

Vizana ny sainam-pirenena… ny firenena… ny olompirenena !


Andriamatoa Filohan'ny Repoblika / Monsieur Le Président de la République,

FANEVA FOTSY - Bannière blanche


Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

Olompirenena voafidim-bahoaka ianao. Asandrato ankasahiana ny hasim-pirenena.
Saropady, raondriana, ny voady sahinao notononina ho ren-tany, ren-danitra, nandritra ny fianiananao. Koa miangavy anao antanàn-droa. Tanteraho dieny mbola fotoany.

Ry olom-boafidy hajaina isany,

Hatramin’ny rahoviana ianareo no halaza ratsy nohon’ny tsikalakalam-bola maramara fiaviana ? Miangavy antànan-droa, tompoko. Lolohavy ny haja amam-boninahitra natolotra an-tsitrapo anareo tsirairay avy.

Ry olom-panjakana isan’antanàntohatra,

Hefao antsakany sy andavany ny raharaham-panjakana sahinareo noraisina an-tànana. Ataovy madio mangarahara, tsy misy tomika. Mahasahia mametra-pialàna raha izay no tsy ho vita.

Ry vahiny mpamatsy vola isan-tsokajiny aman-tokony,

Ampiteraho ara-drariny eto Madagasikara ny tambin-karena izay notrandrahan’ny fanjakanareo sy mpangoronkarenareo an-kamitapitaka teto amin’ito tany masina, tanim-bazimba ito, efa anjato taona.

Ry Malagasy tsivakivolo,

Tandrovy ny hitsiny. Ny hitsiny ihany. Ny hitsiny hatrany.

Ahofahofa ny FANEVA FOTSY.

Amparisika ny olo-mazoto mpitaky fandriampahalemana sy fivoarana. Ahatanteraka ny fanambinana eto Madagasikara.

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

DIOVY NY FITANTANAM-PANJAKANA.

Mby ny fotoana.

Antsirabe, 13 jolay 2015

VAHÖMBEY.

mercredi 6 mai 2015

Tsiky sy somonga :-)

Tratran’ny tsy nampoizina !



Eny an-dalana, mihoraka ilay rangahy :

--  Mandeha an-tongotra aho ! Mandeha an-tongotra aho !

Taitra ity mpivavaka mandre izany ka mihazakazaka manatona azy :

-- Fahagagana ! Mandeha ve ianao ? Fahagagana izany ! Fahasitranana tampoka !

Hoy ilay rangahy :

--  Mandeha an-tongotra aho ! Nisy nangalatra ny fiarako !!

vendredi 10 avril 2015

Sakaf’ à gogo

Je suis très en retard pour présenter la carte Sakaf’ mais ce n’est pas grave ! Il s’agit des suggestions Gourmet gourmand du mois (on a le temps, miam !) 



Repas malagasy avec des légumes et fruits
Le principe de Sakaf’ c’est la livraison de repas (déjeuner) composé de riz, laoka et d’un dessert. C’est le menu de la semaine ou Menu Business, car il s’adresse aux personnes qui déjeunent sur leur lieu de travail.
Les repas sont typiquement malagasy, vous l’avez compris ;-)


La carte Gourmet gourmand c’est quoi ?
Une carte qui dépasse le tarif du Menu Business et c’est normal, puisqu’on a une entrée en plus, et dans des proportions très généreuses.

Exemples du mois :

Salade de légumes + Akoho gasy sy henakisoa + Crème renversée

Gratin de légumes + Porc au coca + Crêpe sucrée

Vol-au-vent + Riz cantonnais (zébu) + Crème renversée

Que dites-vous de ce poisson pané signé Sakaf'

Salade de gésier + Poisson pané + Crème dessert

Crêpe salée + Poulet au coco + Tarte aux fruits de saison


Très appétissant, n’est-ce pas ?

Pour les gourmands gourmets, envoyez votre commande 48 heures à l’avance S.V.P !

Rendez-vous sur la page Facebook de Sakaf’ ou réservez au 034 06 888 40, ou au 033 12 925 41.

Youpiii !


mardi 31 mars 2015

Fanamboarana flan asiana sôkôlà (flan au chocolat)

Resaka sakafo indray ity an ! Anatin’ny herinandro masina indrindra isika ankehitriny, ka tsindrintsakafo amin’ny alahady (na alatsinainy) Paska no entina anio.

Toy izao rehefa navoaka ny lasitra


Nahoana no sôkôlà ?
Efa noresahintsika teto ny fanamboarana flan 

Ny mampiavaka azy ity dia ny sôkôlà. Anisan’ny tsiro ifampizaran’ny mpianakavy ny sôkôlà mandritra ny alahadin’ny Paska, fifaliana fa naharesy ny fahafatesana Jesoa Kristy :-) Fomba ivelany iarahana mifaly ihany izany, fa maro koa ireo marika samihafa amin’ny sakafo andro fety an !

Fanamboarana ny flan asiana sôkôlà
Tsotra kely izy ity.

Mitovy amin’ny flan tsotra ireo zavatra ilaina :

Ronono velona 1 litatra
Atody akoho miisa 6
Siramamy
Vovo-tsôkôlà (ny ahy Robquick-ny Chocolat Robert no ampiasaiko, mba manjifa ny vokatra malagasy !) :-)

Mitovy koa ny fanamboarana azy fa ilay ronono velona no afangaro amin’ny vovo-tsôkôlà mialoha. Dia io fangaro io no indray ampangotrahana ary arotsaka anatin’ny atody sy siramamy efa voakapoka tsara.

Asiana "caramel" ny lasitra (na moule) tahaka ny voalaza teo aloha. Araraka ny fangaro, atsoboka amin’ny "bain-marie", andrahoina 20 na 30 minitra eo amin’ny "cocotte minute" na lafaoro, arakaraka izay fitaovana anananao.

Toy izao rehefa mbola ao anaty lasitra


Izay dia vita !

Mirary soa indrindra, mazotoa homana ! :-)


dimanche 29 mars 2015

Ry malagasy, zovy moa ianao ?

Amin’izao 29 martsa izao, tsy hay adinoina ny zava-nitranga tamin’ny taona 1947.

Raha alefa lavitra kokoa ny saina, tonga hatramin’ny hoe fa dia maninona no toy izao ity firenentsika ity ? Ho aiza ary isika mianakavy ireto ?

Lapan’ny Tanàna Antananarivo, 2011

Tantara mbola tsy fantatra
Ambara fa taranaka mpiavy isika ireto, marina tokoa izany amin’ny ampahany. Nisy olombelona ihany teto talohan’ireo mpiavy samihafa. Vazimba ve ? Maninona moa raha izany no izy. Tsara ny mikaroka, mandalina.

Hoy manko ilay mpanakanto izay hoe : "Hafahafa ity Madagasikara ity, lazaina mahantra nefa manankarena". Marina loatra izany ! Ananantsika ny ranomasina sy ny hareny, ananantsika ny volamena sy vatosoa, sns.

Misy tsy milamina eto, ara-tantara, ara-kolontsaina.

Zaraiko aminao ny hevitr’i FAnambinana MAdagasikara :







Firavaka vita amin’ny vatosoa malagasy….


Ny hoavy manao ahoana ?
Nankalaza ny Taombaovao malagasy isika tamin’ny 21 martsa 2015 teo, saingy mbola marefo eo amin’ny fiaraha-monina ny akony. Mba inona ary no tena irintsika Malagasy e ?

Ankehitriny dia miara-mizotra eto avokoa ireo karazana kolontsaina samy hafa. Ao ny teknôlôjia avo lenta, tsy misy maharatsy azy raha ampiasaina ampiakatra ny lentan’ny saina amam-panahy (saingy indrisy, firy no manao izany ?), ao koa ireo mbola mitana sy mamelona ny maha-malagasy. Fa inona anefa ilay hoe Malagasy ?

Isika ihany no mandrafitra ny hoavintsika. Ka ireto fanontaniana ireto no mila valiny, avy amiko, avy aminao, avy amin’izay rehetra mahatsiaro ho manana fototra sy faka ary vahatra eto Madagasikara.

Isika dia mikendry :

Fiaraha-monina tahaka ny ahoana ?

Fanabeazana mitondra mankaiza ?

Asa fivelomana manakory ?

Sy ny hafa…..