Affichage des articles dont le libellé est atody. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est atody. Afficher tous les articles

mardi 31 mars 2015

Fanamboarana flan asiana sôkôlà (flan au chocolat)

Resaka sakafo indray ity an ! Anatin’ny herinandro masina indrindra isika ankehitriny, ka tsindrintsakafo amin’ny alahady (na alatsinainy) Paska no entina anio.

Toy izao rehefa navoaka ny lasitra


Nahoana no sôkôlà ?
Efa noresahintsika teto ny fanamboarana flan 

Ny mampiavaka azy ity dia ny sôkôlà. Anisan’ny tsiro ifampizaran’ny mpianakavy ny sôkôlà mandritra ny alahadin’ny Paska, fifaliana fa naharesy ny fahafatesana Jesoa Kristy :-) Fomba ivelany iarahana mifaly ihany izany, fa maro koa ireo marika samihafa amin’ny sakafo andro fety an !

Fanamboarana ny flan asiana sôkôlà
Tsotra kely izy ity.

Mitovy amin’ny flan tsotra ireo zavatra ilaina :

Ronono velona 1 litatra
Atody akoho miisa 6
Siramamy
Vovo-tsôkôlà (ny ahy Robquick-ny Chocolat Robert no ampiasaiko, mba manjifa ny vokatra malagasy !) :-)

Mitovy koa ny fanamboarana azy fa ilay ronono velona no afangaro amin’ny vovo-tsôkôlà mialoha. Dia io fangaro io no indray ampangotrahana ary arotsaka anatin’ny atody sy siramamy efa voakapoka tsara.

Asiana "caramel" ny lasitra (na moule) tahaka ny voalaza teo aloha. Araraka ny fangaro, atsoboka amin’ny "bain-marie", andrahoina 20 na 30 minitra eo amin’ny "cocotte minute" na lafaoro, arakaraka izay fitaovana anananao.

Toy izao rehefa mbola ao anaty lasitra


Izay dia vita !

Mirary soa indrindra, mazotoa homana ! :-)


lundi 8 août 2011

Tsy makasaoka fa « pain perdu »

Anisan’ny mofomofo fihinantsika matetika ny makasaoka, mofo dipaina mifono lafarinina ary nendasina. Fa raha ny « pain perdu » indray dia hafa karazany, na samy mofo dipaina aza no iaingana. Fahandro tsotra, tsy dia mandany akory ny « pain perdu », ary tena matsiro an !


 
Ireo zavatra ilaina (ho an’ny olona telo na efatra)

Mofo dipaina 2 efa maina (rassis)
Atody akoho 2
Ronono velona 1/2 litatra
Siramamy mifangaro lavanilina 60 gr
Menaka 20 cl na dibera 100 gr




Fanamboarana pain perdu

Teteho fisaka ny mofodipaina, na atao tranche izany.

Arotsahy anaty vilia jobo ny atody, ronono ary siramamy. Asio ambiny ny siramamy.



Kapohy tsara ireo mba hifangaro tanteraka.


Atsobohy fotoana fohy ao anatin’io fangaro io ny mofodipaina, tsy atao ela sao miboledaka an !
Rehefa vita izany, dia omano ny lapoaly.

Fanaon’ny olona ny mampiasa dibera, fa azo atao amin’ny menaka tsara koa ny pain perdu. Kely fotsiny no arotsaka anaty lapoaly, atao manemitra azy fa tsy mila betsaka akory.


Dia apetraho anaty lapoaly ny mofodipaina, ataovy afo malefaka an ! Rehefa mendimendy tsara dia avadiho, ataovy mendimendy tsara koa ny ilany.

Esory avy ao anaty lapoaly amin’izay dia fafazo siramamy dieny mbola mafana ny pain perdu. Izay dia vita !

Afaka atao sakafo maraina, na tsakitsaky ny pain perdu. Azo soloina tantely ny siramamy afafy eo amboniny rehefa masaka, na izay tianao ka hitanao fa mampatsiro azy.

Mazotoa homana ô !