jeudi 9 mai 2013

Fifidianana eto Madagasikara (3)



IREO KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA
Niara-zendana sy vaka ary nidanàka tahaka anao olom-pirenena Malagasy aho rehefa tonga ilay datin’ny 28 aprily 2013, nifaranan’ny fanaterana antontan-taratasy tao amin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (Cour Electorale Spéciale-CES), « zandrin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (Haute Cour Constitutionnelle-HCC) ».





KANDIDA NAMETRAKA ANTONTAN-TARATASY
Nahatratra 50 DIMAMPOLO, ENY DIMAMPOLO ! mianadahy ireo nanatitra antontan-taratasy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Endriky ny demôkrasia tena marina eto amintsika izany, hoy ny sasany, ka mahazo mirotsaka avokoa izay mahafeno fepetra. Fibaribarin’ny fizaran-kevitra eo amin’ny samy Malagasy izany, hoy kosa ny sasany. Niisa 7 (fito) ireo andriambavilanitra nanatitra antontan-taratasy tetsy Ambohidahy.

Na izany na tsy izany, nisy nisintona ny antontan-taratasiny, tahaka an-dRAKOTOARIJAONA Avotra Antsiva Avoko, natolotry ny MAF – Madagasikara Afaka-, fantatra amin’ny anarana hoe Me Avoko, mpiangaly hai-ady Kung-Fu. Ao koa ireo tsy nahafeno ny fepetra, indrindra ny fandoavana ny antoka (caution) 50 tapitrisa Ar, dia samy nolavin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana.

Noheverina fa 49 aloha ireo kandidà tamin’ny harivan’ny 28 aprily teo an, satria Ingahy RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé, Filohan’ny Delegasiona Manokana eto Antananarivo Renivohitra, kandidan’ny antoko TGV – Tanora malaGasy Vonona- no namarana ny lisitry ny kandidà. Tamin’ny 5 ora latsaka fahefany, raha mifarana amin’ny 5 ora ny fandraisana antontan-taratasy, no nahatongavany tao Ambohidahy, misy ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana.


IREO KANDIDA NEKENA NY FIROTSAHANY
Rehefa nigadona anefa ny andro zoma 03 Mey 2013, akory ny hagagan’ny rehetra fa hay mbola misy antontan-taratasy hafa tafiditra tao, dia ny an’Atoa Andry Nirina RAJOELINA. Rava ho azy ilay « Ni…ni… » ! Kay resaka fampihesonana antsika fotsiny ireny ! Sshh !

Fa tsy izany ihany, Atoa RATSIRAKA Didier Ignace, izay tonga tamin’ny tapatapaky ny volana aprily 2013, sy Rtoa RAVALOMANANA Lalao Harivelo (eny, vadin’Atoa Marc RAVALOMANANA), tonga teto hitsabo an-dreniny (Bebe Razay) tamin’ny volana febroary 2013 teo, dia sady nanatitra antontan-taratasy no nekena ny firotsahany. Mbola resaka hafa koa ny an’Atoa VITAL Albert Camille, Praiministra teo aloha ary MAsoivohon’i Madagasikara any Soisa.

Ny Lalàna Fehizoro momba ny fifidianana ny Filoham-pirenena anefa milaza mazava tsara fa tokony ho mitoetra enim-bolana eto an-tanindrazana, eto Madagasikara ireo kandidà !

Article 46 de la Constitution, et Article 5 de la loi organique n°2012-015 du 1er août 2012 relative à l’élection du premier Président de la Quatrième république : tout candidat à l’élection du Président de la République doit résider sur le territoire de la République de Madagascar depuis au moins six mois avant le jour de la date limite fixée pour le dépôt de candidature

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana, azonao vakiana ATO 
dia manambara toy izao ireo anarana 41 (iraika amby efapolo) izay ekena ho kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Hatreto dia alahatra araka ny fanaterana antontan-taratasy ny fitanisana azy (misy diso ny azy fa bof, bof).

1. Hajo Herivelona ANDRIANAINARIVELO*
2. LAHINIRIKO Jean*
3. RATSIRAKA Iarovana Roland*
4. RABEARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY
5. RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn*
6. JEAN-LOUIS Robinson Richard**
7. RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET
8. RAKOTO Jean Pierre
9. RABETSAROANA Willy Sylvain
10. RABEMANANTSOA Brigitte Ihantanirina
11. RAZAFIMANAZATO Julien**
12. RAZAFIARISON Laza
13. VITAL Albert Camille*
14. MONJA Roindefo Zafitsimivalo**
15. RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
16. RAFALIMANANA Ny Rado
17. RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY Lalao Harivelo**
18. KOLO Christophe Laurent Roger
19. RAJEMISON RAKOTOMAHARO**
20. JULES ETIENNE Rolland
21. VONINAHITSY Jean Eugène*
22. RAVALISAONA Clément Zafisolo
23. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain**
24. RAJAONARY Patrick Ratsimba
25. LEZAVA Fleury Rabarison
26. RATSIRAKA Didier Ignace**
27. RAKOTOMALALA Marcel Fleury
28. DOFO Mickaël Bréchard
29. RANDRIAMANANTSOA Tabera*
30. NOELSON WILLIAM**
31. RATRIMOARIVONY Guy
32. FAHARO RATSIMBALISON
33. RASOLOVOAHANGY Roselina Emma
34. RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison**
35. RATREMA William
36. RASOLOSOA Dolin Rina Josephson*
37. RAHARIMANANA Venance Patrick
38. TINASOA Freddy
39. RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin**
40. RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé*
41. Andry Nirina RAJOELINA*

Ireo andriambavilanitra sisa tavela no nataontsika GRAS na maventy ny anarany. Ireo kintana tokana (*) kosa dia ireo manana andraikitra eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao : Ministra, mpikambana ao amin’ny antenimieran’ny tetezamita (CT na CST). Ireo manana kintana roa (**) kosa dia ireo efa nisahana andraikitra teto amin’ny Firenena, na nandritra ny Tetezamita na taloha.

Amin’izao fotoana anoratana izao moa dia efa vita tao amin’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana mandritra ny Tetezamita (CENI-T na Commission Electorale Nationale Indépendante de la Transition) ny antsapaka ilaharan’ireo kandidà amin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Izany hoe, filaharana eo amin’ny takelaka fametahana afisy, na koa amin’ny fidirana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Ity farany moa dia hanomboka ny alatsinainy 24 jona 2013 amin’ny 6 ora maraina ary hifarana ny talata 23 jolay amin’ny 6 ora maraina.

Ireo kandidà misahana raharaham-panjakana dia tokony hametra-pialana vantany vao ambaran’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana izao lisitra izao. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy izany an. Ho an’Atoa Andry Rajoelina manokana moa dia efa voafaritra fa, amin’ny maha-Filohan’ny Tetezamita azy, dia 60 andro mialoha ny daty fifidianana no tokony hametrahany fialana. Mbola resaka hafa daholo izany rey olona, fa inona moa no tena andrandraintsika amin’izao fifidianana izao ? Inona tokoa r’ireto ?


FA INONA NO MBA FANIRIAN’NY MALAGASY ?
Araka ny nambara tamin’ny lahatsoratra faharoa dia hamarana ny tetezamita ireo fifidianana heverina hatao mandritra ity taona 2013 ity. Fa raha izay « krizy », dia tsy hay izay tena fiafarany. 

Raha ny mikasika izay ho Filoham-pirenena dia miandrandra olon-kendry sy olo-marina ny ankamaroan’ny olom-pirenena.

Ny manahirana anefa dia izao : ankoatra ireo goaika antitra -na tanora ! - efa nandamaka ny Firenena, dia saika olon-tsy fantatra avokoa ireo mirotsaka ireo. Ao ny mpandraharaha, ao ny mpanabe, ao ny miaramila misotro ronono, sns.

Ankoatra izany, manahirana fa ireo goaikam-pôlitika ireo dia samy manana ny mpanindrahindra sy mpanasohaso azy avy.

Mazava ho azy fa vola tsy toko tsy forohana koa no hirotsaka mandritra ny fampielezan-kevitra : T-shirt e, casquette e, banderole, sono, ankoatra ny afisy, ny doka ao amin’ny gazety sy haino aman-jery, ny saran’ireo artista hihira sy hamory vahoaka, sns. Vola be ô ?

Fa izany ve no ilaintsika sy andrasantsika amin’izao fifidianana izao ? Ireo izay mandehandeha any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo any manko, amin’izao fotoana izao, dia samy babany avokoa an ! Olona re izao manotrona sy mitehatehaka izao e ! Horakoraka sy endrika mirana izany an !

Fa tena ilay kabary ve no mahafaly sa dia mivorivory ts’isy atao (sanatria !) ireo olona antsoina ireo e ? Raisiko ohatra amin’izany Atoa isany Hajo Andrianainarivelo, Edgar Razafindravahy, Ratsiraka Roland, Andry Rajoelina. Mandehandeha any ambany ravinkazo any hanao inona ?

Olon-kendry sy olo-marina ve ireo ? Ary ny hafa manao ahoana ?




NY FANORENANA IFOTONY - REFONDATION
Efa mba misy mivoy ihany ilay hoe tsangan-kevitra tohanana fa tsy tsangan’olona a ! Aoka izay ity « fanatisme » ity ! Marina fa olona no ho fidiana, fa izay vinam-piaraha-monina entiny no isafidianana azy.

Ho velabelarintsika bebe kokoa ny momba an’io atsy ho atsy. Hetsika novoizin’ny Radio Antsiva (FM 97.6) efa hatramin’ny taona 2009 manko izy io, ka aleo ny marina ihany no ambara e !

Efa misy maromaro manko ireo pôlitisiana matihanina (sa velontena ? hahaha) mitady handrapaka sahady io hevitra io, ka aoka tsy ho sodokan’ny kabary tsara lahatra isika an ! Be ny adala fa malama vava, ka ny hendry badobado no ho ambakainy raha tsy mailo !

Somongan-teny ihany izany fa inty no tena hevitra : ny fokonolona, izaho, ianao, araka ny fikasan-dRatsimandrava Richard no ifampizaran’ny « Club des Refondateurs de la Radio Antsiva ».

Ho anao Malagasy any an-dafin’ny Riaka, afaka mandre ny Antsiva ianao raha tsy diso aho, fa efa mandeha amin’ny alalan’ny aterineto izy. Rehefa hitako ny rohy dia omeko eto.

Mirary soa ho anao, mirary soa ho antsika Malagasy. :-)



jeudi 18 avril 2013

Fifidianana eto Madagasikara (2)



HAMAHA OLANA TOKOA VE ?
Raha ny famahana olana, dia saiky miaiky avokoa ny rehetra, na mpandinika fiaraha-monina, na mpanao pôlitika, na olom-pirenena, fa ny fifidianana tokoa no fomba iray amaranana ny « krizy » eto amintsika.

Ny antony ? Dia ny hananantsika olomboafidy ara-dalàna indray eo amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena, fa tsy ireto olom-boatendry mandrebireby ireto. Mbola misy toe-draharaha hafa tokony halamina anefa vao tena « mifarana ny krizy », fa iverenantsika izany.







NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA
Satria io no fifidianana voalahatra voalohany, ka mitarika ny fizoran’ny hafa, dia ifantohantsika kokoa.

Raikitra àry izao fa ny alarobia 24 jolay 2013 no hotontosaina ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Amin’ny alarobia 23 septambra 2013 kosa indray ny fihodianana faharoa (raha ilaina), miaraka amin’ny fifidianana ireo solombavambahoaka. Dia hanaraka azy eo koa ny fifidianana ben’ny tanàna, raha tsy diso aho.

Hatreto aloha dia mibosesika ireo olona manambara fa hirotsaka ho filoham-pirenena. Mahazendana fa hatramin’ny 30 any ho any ireo an ! Hafa indray ny mikasika ny fanaterana an-tsakany sy an-davany ny antontan-taratasy firotsahana.

Amin’izao faha-17 aprily 2013 izao, dia miisa fito mianadahy ireo kandidà nametraka ny antontan-taratasy ara-dalàna teny amin’ny CES (Cour Electorale Spéciale). Ny CES dia rafitra manokana natao hisahana ny fifidianana mandritra ny Tetezamita, izany hoe manambara ny vokatra sy misahana izay mety ho fitarainana na fitsipahana ny vokatra. Ny tondrozotra no nametraka io rafitra CES io, ary natao ho sampana ao anatin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (Haute Cour Constitutionnelle- HCC) izy io.

Ny indro kely dia ity fifidianana napetraky ny tondrozotra ho sahanin’ny Firenena Mikambana sy ireto fikambanana iraisam-pirenena tsy hita nonoa ireto : Union Africaine e, SADC e, COI e, OIF e…. Oadray ! Hanao inona aty daholo izany olombelona betsaka be izany r’ireto ?

Inona ireo fepetra maha-kandidà ?
Ankoatra ny fanoloran’ny antoko pôlitika, dia misy antontan-taratasy tsy maintsy fenoina. Nanomboka ny alatsinainy 08 aprily 2013 teo ka hatramin’ny alahady 28 aprily 2013 ny fe-potoana azo ametrahana ireo antontan-taratasy, miampy ilay antoka 50 tapitrisa Ariary.
Hitako tao amin’ny bilaogin’ny FAMà  ity lisitra ity :
Eléments du dossier : Inventaire des pièces ; Déclaration de candidature ; Photocopie de la CIN ; Certificat de nationalité malagasy ; Certificat de l’administration fiscale ; Déclaration sur l’honneur sur les impôts et taxes ; Déclaration sur l’honneur sur les biens immeubles et valeurs mobilières ; Certificat de résidence ; Bulletin n°3 du casier judiciaire ; Certificat attestant d’électeur délivré par la CED ; Déclaration sur l’honneur de respecter les dispositions de la Constitution ; Photocopie certifiée conforme de la quittance de versement de la caution ; Matrice sur support électronique.

Ny CES no hanambara, amin’ny zoma 03 mey 2013 ny anaran’ireo kandidà ekena hirotsaka amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Toy izao no fisesin’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy hatreto :

Ny alatsinainy 08 aprily 2013 :
1. Hajo Andrianainarivelo, Praiministra Lefitra misahana ny Fanapariaham-pahefana, atolotry ny antoko MMM

2. Lahiniriko Jean, Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (Conseil Supérieur de la Transition- CST), atolotry ny PSDUN

3. Roland Ratsiraka, Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (Conseil Supérieur de la Transition- CST), atolotry ny MTS- Malagasy Tonga Saina

Ny alarobia 10 aprily 2013 :
4. Pierrot Rajaonarivelo, Minisitry ny Raharaham-bahiny, atolotry ny MDM –Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara

Ny alakamisy 11 aprily 2013 :
5. Dr Jean Louis Robinson, Ministry ny Fahasalamana, Minisitry ny Fanatanjahan-tena tamin’ny fitondran-dRavalomanana Marc, atolotry ny antoko AVANA

6. Rabearison Roland Dieu Donné Vahömbey, Mpanabe, Mpanakanto, Mpampianatra mpikaroka sy mpiangaly hai-ady, atolotry ny antoko FAMà

Nangingina kely avy eo ka androany indray vao nisy niroso indray.

Ny alarobia 17 aprily 2013
7. Rtoa Saraha Georget Rabearisoa, atolotry ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara.

Mbola ho avy ny fotoana iresahana izay mba programa atolotr’ireo, fa hatreto aloha dia ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara sy ny MDM ary ny FAMà no mba itarafana tsangan-kevitra ijoroana na vinampiaraha-monina.

Aiza ho aiza ny momba ny lisi-pifidianana ?
Io izao dia tsy hay loatra intsony. Araka ny lalàna manodidina ny fifidianana amin’ny 24 jolay ho avy izao, dia nanomboka ny 08 aprily 2013 teo ihany koa ny fanaterana ny lisitra vakiraoka isam-pokontany. Izany hoe, tokony hanamarina anarana sy fepetra hafa (laharana kara-panondro, adiresy, sns) anatin’io lisitra io ireo mpifidy feno 18 taona. Hatramin’ny faha-28 aprily 2013 koa no ahazoana manao izany, ary misokatra asabotsy mihitsy ny biraom-pokontany. Io lisitra io manko, miaraka amin’ny logiciel ampiasaina, no fototra hanamarina na hisandoka ny voka-pifidianana. Indrisy !

Ilay logiciel SAGEM kay maninona e ? Ary ny e-fidy vita malagasy ahoana ?
Mbola resa-be io logiciel momba ny fifidianana io. Resa-bola be koa io, fa aoka isika tsy hanonofy hoe fitiavana manokana antsika no ampiasana ny SAGEM. Fangalaram-bato tsotra izao io. Aiza koa nilaina nohatsaraina fa tsy nahita "doublon" hono teo aloha, dia efa azo itokiana indray izao, satria efa hitany izany "doublon" izany. F’angaha izany ihany ? Ary ny laharana kara-panondro diso ? Ny adiresy sandoka ?

Kanefa, ilay logiciel e-fidy, vitana tanora mpikaroka malagasy, dia mahatsirika ireo rehetra ireo, no sady miantoka voka-pifidianana ao anatin’ny adiny roa monja aorian’ny fiafaran’ny fifidianana. Vokatra tsy azo ovaina, tsy azo angalarana safidy, ary efa naseho tamin’ny Malagasy manam-pahefana sy ny CENI-T (Commission Electorale Nationale Indépendante pour la Transition). Kanefa dia tsy misy nankato. Satria tsy isika Malagasy no mikarakara ny fifidianana fa ny Firenena Mikambana…. Dia izy no mandidy manapaka amin’ny lafiny rehetra !

Fa maninona no mila vola be 60,5 tapitrisa dolara ny fifidianana eto amintsika ?
Eny, vola be tsy hay isaintsainana no ilaina, araka ny nambaran’ny manam-pahaizana (experts) avy amin’ny Firenena Mikambana vao tanteraka ny fifidianana eto amintsika. Ilay PACEM (Projet d’Appui au Cycle Electoral à Madagascar) no drafitra namaritana an’io ary dia efa saiky nandrotsa-bola tao daholo ireo firenena nilaza hanampy an’i Madagasikara amin’ny « famaranana ny krizy ». Misaotra azy ireo isika.

Kanefa aoka tsy ho variana amin’ny fitobaky ny vola sy ny sanda ambony angonina « ho antsika ». Aza mihinana am-bolony fa tsy misy ho ahy na ho anao izany, fa ny androan-tokony dia ho an-dry zareo ihany.

Fantatrao ve fa hisy mpanara-maso fifidianana efa ho 200 isa avy amin’ny Vondrona Eorôpeanina ho avy eto amin’io 24 jolay io ? Tsy maintsy iantohana ny fiaviany eto, ary ekena fa sandaina ambony ny fahalalany sy ny traikefany.

Toraka izany koa, ireo manam-pahaizana mampiofana mialoha ny mpikarakara fifidianana, na ireo mpikirakira vaovao, tahaka ireo mpanao gazety, dia tsy maintsy karamaina. Fa ohatrinona no raisin’ireny, ary mba ohatrinona no raisin’ireo mpanisa mpifidy ? Samy zava-dehibe ny andraikitra sahaniny, ary ireo mpanisa mpifidy (ohatra, fa maro ireo azo resahina aty ifotony) no tena mifandray amiko sy aminao Malagasy tahaka ahy.

Marina fa volan-dry zareo koa io, ka izay tiany anaovana azy. Koa raha marina izany, maninona raha hanasoavany ny vahoakany efa ory sy miha-fadiranovana ohatra, tahaka ny ao Grèce, Espagne, Italie, Chypre ? Tsy hoe tiany isika Malagasy, tsy izany mihitsy. Aza manonofy ô ! Madagasikara no tiany. Satria hita eto ny solika efa mampivadika atidoha ireo tandrefana ireo. Satria maro ireo harena an-kibon’ny tany ananantsika : volamena, fasimainty, sns…..

NB lisitra feno momba ny antontan-taratasy ATO
(Mbola hitohy)


mardi 16 avril 2013

Mampihomehy, mampieritreritra !

Impiry tokoa moa isika, amin’ny andavanandrontsika, no sendra tranga mampihomehy na mampieritreritra ? Tsy hay isaina ô ? Ireto àry mba misy tsikitsiky (na hehy) ifampizarana aminao.




Anaty fitaterana, matetika, dia misy fisehoan-javatra samihafa ;-)
Lasantsy, gazoala, sa rano ?
Eto amintsika moa dia fanaon’ny mpitatitra, na dia efa noraràna aza, ny mividy solika amin’ny "bidon". Tsy avy hatrany dia arotsaka manko iny fa andrasana lany ny ao anaty fiara vao ampidinina….
Indray hariva, azo heverina fa tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana (embouteillage), dia naniraka olona ity mpamily taxibe mba hividy gazoala. Rehefa niainga ny fiara ka lasa lavidavitra, dia nanontany ny resevera (receveur) tampoka ilay mpamily :

-- Ô lehity â ! Toa lasantsy ange izany novidin’ilehiry izany e !

-- Lasantsy ve ?Oadray !

Nihomehy mangina ny mpandeha, sady nifanaretsaka hoe : "ahoana koa izany ?.... Gazoala no ampiasain’ny fiara diesel ka tsy mety raha lasantsy ! ….Dia atao inona io lasantsy io ? Tsy azony ampiasaina akory !........ Ny lasantsy aza lafo noho ny gazoala koa no tsy hitany ?"

Roso ihany ny dia, ary rehefa sendra fiatoana (arrêt) iray, dia naharitraritra ny fijanonana. Namoha ny "capot" ilay resevera ary nampidina zavatra tao. Niainga indray ny fiara. Lasa kelikely dia niantso azy indray ny mpamily :

-- Ary hono ho’aho, mbola misy rano angaha ao ?

-- An-an, tsy misy intsony kah !

Mandeha ihany ny fiara. Mandritra izany fotoana rehetra izany dia misy mpandeha midina, misy ny miakatra. Nanontany indray ilay mpamily :

-- Ô lehity â ! Sao dia ilay lasantsy no nampidin’ialahy teo ?

Fohy hehy tampoka, niaraka tamin’izay ity raim-pianakaviana teo akaikiko. Ilay nijanona elaela iny izany dia tokony ho rano no nampidinina tao anaty "radiateur", saingy tsy fantatr’ilay mpamily intsony angamba izay niseho, satria nidona-tsetroka ilay fiara. Sady te-hihomehy koa ny mpandeha hafa no natahotra ihany, satria niaraka tamin’izay dia nihamatroka tanteraka ilay fitaratra "pare-brise". Tsy hita intsony izay lalana andehanana ! Nikoropaka namafy azy tamin’izay taratasy hitany ilay mpamily (tsy mba manana "chiffon jaune" angaha ?)

Ary ny mpandeha, hoy ianao ? Sadaikatra re e ! Hiala ve ? ny andro efa maizina ary mbola lavitra ny dia. Kanjo rehefa elaela dia nihanazava ny fitaratra, noho ny hatsiaka nentin’ny rivodrivotra harivariva… Hafaliana tsy hay ambara ny nialana avy tao amin’ilay fiara, marina moa â !



Indraindray koa any amin’ny efitra fiandrasana (dokotera, birao) no miseho ny fampihomehezana.
Sinoa tsy fanta-piaviana
Any amin’ny mpitsabo nify….
Ny ankamaroan’ny olona dia miandry ny andraisan’ny dokotera azy satria efa namandrika fotoana mialoha. Raha tsy izany dia miandry farany, na afaka miroso mamandrika andro sy ora hafa. Efa nanana fotoana raikitra aho indray andro, koa niara-nipetraka tao an’efitra fiandrasana izaho sy ny zanako, niaraka tamin’olona roa na telo. Indro fa nandroso nipetraka tao an’efitra koa ity lehilahy sinoa ity, omban-tovolahy malagasy iray.

Rehefa nipoitra ilay ramatoa mpandray olona dia niroso avy hatrany ilay sinoa nanaraka azy, narahan’ilay tovolahy malagasy. Noheverinay rehetra nipetraka teo fa hamandrika fotoana ry zareo. Vetivety teo anefa dia gaga daholo izahay fa niverina tao aminay ilay ramatoa mpandray olona :

-- Misy mahafantatra ilay sinoa iny angaha aminareo ireto ? hoy izy nanontany anay

Samy nandà avokoa izahay. Dia lasa niverina tao amin’ny trano fitsaboana ilay ramatoa. Nifampijerijery izahay, gagagaga amin’izany fanontaniana izany.

Vetivety teo, dia iny indray ilay dokotera mpitsabo nify mihitsy indray no nipoitra, ary dia nanontany tahaka ny teo hoe :

-- Misy mahafantatra ilay sinoa iny angaha aminareo ireto ?

Dia indro nanaraka azy ilay sinoa, dia ilay tovolahy malagasy, dia ilay ramatoa mpandray olona.

Hay ity sinoa ity sady tsy miteny anglisy no tsy miteny frantsay, ary vao mainka koa tsy mahay teny malagasy !!

 Ary ilay tovolahy nanaraka azy tsy mahafantatra azy akory kay hono !! Oadray ! Asa izay fahamarinana fa dia nitana fihomehezana mafy izahay rehefa nijery azy mirahalahy nivoaka tsimoramora niala teo amin’ilay efitra fiandrasana… dia lasa !


Tsikitsiky ifampizarana, somonga ifampifaliana ;-) Mirary soa ô !


Madagascar, grenier de l’Océan Indien ?

Cette perspective remonte déjà à plusieurs décennies, en réalité. L’idée de promouvoir les échanges commerciaux entre les îles de la COI (Commission de l’Océan Indien) est née dès la moitié des années 80, à la création de l’organisation régionale. Les successions houleuses des régimes politiques (dont Madagascar), associées à la lenteur des prises de décisions intra et inter étatiques n’ont pas permis de réaliser le rêve d’échanges gagnant-gagnant entre les Etats membres de la COI.

Aujourd’hui, en plein cœur de la « crise » malgache, le projet revient sur la table. Le Collectif TANY s’en émeut, et lance un appel à la vigilance. Ci-dessous la correspondance adressée le 22 mars dernier à la COI et aux participants à l’atelier qui s’est tenu à Mahajanga les 25-26 et 27 mars 2013. Pour le Collectif TANY, l’objectif est le même : « Les différents impacts et bénéfices pour les petits exploitants malgaches méritent davantage d'études et d'éclaircissements. Un tel projet de coopération régionale visant la sécurité alimentaire de l'Océan Indien doit mettre l'accent sur l'avenir des paysans de Madagascar et des autres îles ». 


Le nouveau logo de la COI en 2012



« Madagascar, grenier de l'Océan Indien » :

Des engagements à risques à mener avec précaution



Madagascar, Grande ile de la COI....


A l'initiative de la Commission des îles de l'océan indien (COI), Madagascar fait l'objet d'un vaste projet de culture et d'exportation de produits agricoles destinés à assurer la sécurité alimentaire dans cet espace régional. Mais ce processus conçu en pleine crise politique malgache laisse craindre des accaparements de terres qui lèseraient les paysans et les populations, ce qui serait contraire aux objectifs fixés. La réunion des investisseurs, opérateurs, partenaires techniques et financiers prévue à Mahajanga, à l'ouest de Madagascar, les 25-27 mars 2013, avec la participation du gouvernement malgache de Transition et des autorités régionales, constitue une étape-clé vers des « engagements concrets » des différents intervenants.

Informé de la tenue de la réunion sur « la sécurité alimentaire dans l'Indianocéanie – Investir dans la production Agricole », qui aura lieu à Mahajanga les 25 et 27 mars, sous l'égide de la Commission de l'Océan Indien (COI), le Collectif pour la Défense des Terres Malgaches - TANY souhaite attirer l'attention des participants, concepteurs et décideurs impliqués dans ce projet visant à faire de Madagascar le « grenier de l'Océan Indien ».

Plusieurs points importants doivent être pris en considération dans cette réunion qui s'inscrit dans la continuité d'un vaste projet agricole à Madagascar élaboré par la COI et s'appuyant sur les Chambres de Commerce et d'Industrie (CCI) de Madagascar. La COI, composée de 5 Etats-membres - Comores, France/Réunion, Madagascar, Maurice, et Seychelles-, risque d'aller à l'encontre de sa mission de « resserrer les liens d'amitié et de solidarité entre les populations, et de bâtir des projets régionaux de développement durable, destinés à les protéger, améliorer leurs conditions de vie et préserver les ressources naturelles dont elles dépendent fortement » (1).


Le projet se trouve dans une phase très avancée

Tout en appuyant le processus de règlement de la crise politique à Madagascar, la COI a élaboré ce programme agricole depuis 2011 (2). Elle s'appuie sur un rapport réalisé début septembre 2012 à sa demande par le consultant et expert mauricien Shafick Osman (3). Après une réunion de « brainstorming » à Antananarivo, le projet a été promu en objectif lors du 8e Forum des îles de l'Océan Indien à la Réunion (4) où s'est rendue une délégation malgache de 80 membres. Un atelier préparatoire de la rencontre Plateforme prévue à Mahajanga s'est tenu à la mi-janvier 2013 dans la capitale malgache.

Dans le contexte politique actuel, il est illégitime de faire progresser un tel projet agricole à Madagascar. Il faut attendre la fin des élections présidentielles, législatives voire communales pour que des représentants élus par les Malgaches participent aux discussions. Ce projet, qui vise la sécurité alimentaire des populations des 5 îles, nécessitera de vastes surfaces à Madagascar.

Selon plusieurs sources, le secrétaire général de la COI, Jean-Claude de l'Estrac, a fait état d'une demande de concessions de terres ayant obtenu l'accord des autorités malgaches (5). Il s'agirait de 20 000 ha dans la région du Menabe (6). Le gouvernement malgache de Transition n'est pas habilité à prendre de telles décisions (7) et les autorités nationales comme régionales restent étrangement silencieuses sur les tenants et aboutissants de l'ensemble de ce projet.

Respecter les droits fonciers légitimes des Malgaches

Le plan de la COI se base sur l'idée dangereuse qui considère Madagascar comme un réservoir de terres cultivables pour l'Océan Indien occidental car il constitue « 90% des terres arables de la COI » et en raison de l'existence de vastes zones non cultivées (8).

Il est important de souligner qu'une partie des terres malgaches est constituée de montagnes aux pentes trop abruptes pour permettre des cultures, de millions d'hectares de carrés miniers, de zones forestières et d'aires protégées. Les surfaces que certains considèrent comme « vacantes et sans maître » sont occupées par des paysans qui y vivent et les cultivent depuis des générations ou les utilisent pour l'élevage extensif et les pâturages. Les conflits sur les terres les plus fertiles opposant les communautés locales avec leur modèle d'agriculture familiale aux nouveaux investisseurs sur les terres agricoles, sont connus à Madagascar, et la concurrence entre opérateurs sur les rares terres propices à l'agribusiness est documentée par l'Observatoire du Foncier (9).
  
A l‘instar des Directives volontaires pour une gouvernance responsable des régimes fonciers applicables aux terres, aux pêches et aux forêts dans le contexte de la sécurité alimentaire nationale de la FAO (10), le dernier rapport de la Banque Mondiale intitulé Croissance de l'Afrique : libérer le potentiel du secteur agroalimentaire (11) réaffirme la nécessité de respecter les droits d'usage coutumier des terres des familles rurales pour leur propre subsistance et le développement de leurs revenus.

Ces droits fonciers légitimes doivent être pris en compte de manière effective et sérieuse par toutes les parties prenantes du programme de la COI. Dans le cas contraire, ce projet destiné à la sécurité alimentaire des populations des îles de l'Océan Indien constituerait une source d'« accaparements de terres » à Madagascar en lésant les droits de la population malgache et en portant atteinte à sa sécurité alimentaire.

L'exigence de transparence et de bénéfices pour les paysans

Trois régions sont d'ores et déjà identifiées comme zones pilotes. Les populations locales ont-elles été consultées dans le Menabe, notamment sur la zone de 20 000 ha déjà évoquée, ainsi que dans le Vakinankaratra, destinés à la culture et l'exportation de riz, et dans la Sofia pour la production d'oignons ? (12). Quelles propositions concrètes ont été formulées pour les paysans concernés ?

Une totale transparence sur le projet de la COI est requise : cartographie précise des zones identifiées, type d'appropriation foncière et de transaction (bail emphytéotique, achat, etc.), mode de production agricole prévu dans chaque cas (contrat avec les petits exploitants locaux ou agribusiness), nombre d'emplois pour les travailleurs malgaches créés par les sociétés agricoles, revenus attendus des taxes à l'exportation, etc..

A la Réunion comme à Maurice, des institutions et autorités publiques mettent en œuvre dans le cadre de ce projet une stratégie d'investissements dans l'agriculture sur les terres malgaches. Dès mars 2011, le Ministre des Affaires Etrangères de l'île Maurice Arvin Boolell a encouragé les opérateurs économiques mauriciens à s'intéresser à Madagascar (13), alors que le Conseil Général de la Réunion a investi dans la recherche sur le riz bio malgache (14) et souhaiterait acquérir des rizières selon certaines sources (15).

Reste que l'ancien président de la Chambre d'Agriculture de La Réunion a émis des réserves vis-à-vis du projet de faire de Madagascar le « grenier de l'Océan Indien ». Il insiste pour que l'accord soit limité au riz et craint que d'autres produits malgaches inondent les marchés locaux au détriment des productions locales de la Réunion.

Côté malgache, le ministre de l'Agriculture a, lui, déclaré que « L'objectif est d'avoir une autosuffisance en riz d'ici 2018 avec une production de 12 millions de tonnes  » (16), mais aucun élément concret ne vient corroborer une telle affirmation. A l'initiative des CCI, des représentants régionaux ont été amenés à négocier directement avec des investisseurs lors du dernier Forum des Îles de l'Océan Indien à La Réunion (17).


 Les différents impacts et bénéfices pour les petits exploitants malgaches méritent davantage d'études et d'éclaircissements. Un tel projet de coopération régionale visant la sécurité alimentaire de l'Océan Indien doit mettre l'accent sur l'avenir des paysans de Madagascar et des autres îles.



Paris, 22 March 2013

The Collective for the Defense of Malagasy Lands – TANY

patrimoinemalgache@gmail.com
www.terresmalgaches.info
http://www.facebook.com/TANYterresmalgaches

Références :

(1) http://economy.ioconline.org/fileadmin/Regional_food_security/Note_conceptuelle_journalistes.pdf

(2)  http://www.federationccimada.org/files/conceptnote-tableronde-mjn.pdf

(3)  http://www.newsmada.com/index.php/newsmadarss/5-opinion-et-debat/3955-shafick-osman-l-une-plateforme-sadc-coi-pourrait-etre-tres-positive-pour-votre-pays-en-ce-moment-r#.UUTTYFclKOg

(4) http://economy.ioconline.org/fr/securite-alimentaire-regionale/8e-forum-economique-des-iles-de-locean-indien-reunion-28-au-30-novembre-2012.html

(5)  http://french.news.cn/afrique/2012-08/27/c_131809227.htm

(6) http://www.lexpressmada.com/cooperation-regionale-madagascar/38975-la-cooperation-agricole-prioritaire.html

(7) http://lexpressmada.com/feuille-de-route-pour-la-sortie-de-crise-a-madagascar-madagascar/27525-engagements-des-acteurs-politiques-malgaches.html article 8

(8) http://society.ioconline.org/uploads/media/Discours_du_SG-er_forum_EFOI_oct2012__2__01.pdf

(9) http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=28484:grenier-de-locean-indien-un-projet-en-gestation-pour-soutenir-le-pays&catid=45:newsflash&Itemid=58,
http://www.lexpressmada.com/5426/riziculture-madagascar/40154-deux-nouveaux-greniers-a-riz-en-vue.html

(10) http://www.observatoire-foncier.mg/downloads/After-Daewoo-engl-2011.pdf

(11) http://www.fao.org/fileadmin/templates/cfs/Docs1112/VG/VG_Final_FR_May_2012.pdf articles 3b6, 3b8, 3b9, 7.3, 9.9, 12.2

(12) http://www.banquemondiale.org/fr/news/feature/2013/03/04/africa-agribusiness-report

(13)  http://www.acclimate-oi.net/en/adaptation-securite-alimentaire-cooperation-regionale-riziculture-maurice%20%20 http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&task=view&id=11363&Itemid=57

(14) http://madagascar.cirad.fr/recherche_en_partenariat/cooperation_dans_l_ocean_indien/qualireg

(15) http://www.clicanoo.re/355651-la-reunion-veut-acheter-des-rizieres-a-madagascar.html

(16) http://blog.pierreverges.fr/ocean-indien/cooperation-co-developpement-madagascar-veut-devenir-le-grenier-de-locean-indien

(17) http://www.newsmada.com/index.php/economie/3451-feioi-madagascar-est-de-la-partie#.UUTU11clKOg Feioi  : Madagascar est de la partie

lundi 15 avril 2013

Collectif TANY : NON à l’attribution de terres durant la Transition

Le 02 février 2013, le Collectif TANY, toujours vigilant, relevait dans la presse des informations pour le moins alarmantes. Le Collectif TANY réclame, à bon escient, « un état des lieux sur les terres malgaches déjà vendues et en cours de bail, l'urgence d'une transparence sur les contrats et sur les bénéfices attendus des différents investissements étrangers afin que tous les citoyens évaluent dans quelle mesure les projets concernés contribuent au développement du pays. » 

Ayant une bonne expérience personnelle des relations internationales et du « langage diplomatique », j’approuve et soutiens pleinement l’appel à la vigilance lancé par le Collectif TANY. Madagasikara, notre île, suscite la convoitise de tant de gens, de pays, qu’il nous faut demeurer sur nos gardes. Sans pour autant verser dans la parano ni la xénophobie. Un partenariat gagnant-gagnant est toujours possible. Mais pour l’heure, veillons !! Ci-dessous, la Newsletter n°21 du Collectif TANY, en intégralité. 

Plus que jamais, redoublons de vigilance sur les terres malgaches ! 

En cette période de crise politique à Madagascar où la question qui occupe la majorité des observateurs semble être la préparation des élections prévues potentiellement pour mai 2013, le Collectif TANY appelle à une vigilance accrue pour dénoncer les manœuvres et projets des autorités actuelles qui pourraient profiter de cette période pour mener des transactions risquant de léser les droits des paysans et familles malgaches actuels et des générations futures. 
  
 
Nos terres, notre terre, objet de convoitise…. Veillons ! 


En effet plusieurs informations inquiétantes pour l'avenir apparaissent de manière anodine dans la presse : 

Dans le cadre d'un appel aux investisseurs étrangers à travailler dans le cadre des « réserves foncières touristiques » à Madagascar publié en octobre 2012 dans un organe de presse international et précisant que « 21 sites étalés sur 8 800 hectares ont déjà été délimités », la possibilité d'acheter les terres est avancée clairement comme argument de promotion (1). Si la loi 2007-036, dont nous demandons l'abrogation dès la mise en place d'un nouveau Parlement, autorise en effet l'achat de terrains par les sociétés à capitaux majoritairement étrangers, le Collectif TANY conteste fortement toute prise de décision sur de telles ventes de terres pendant la Transition. 

Des responsables malgaches et étrangers ont proposé que Madagascar devienne « le grenier de l'Océan Indien » (2) et ont vanté les qualités de nos terres au cours de diverses réunions pour motiver les entreprises à réaliser des investissements agricoles à Madagascar. L'île Maurice est en effet « en tête des acquisitions de terres rizicoles au Mozambique » (3). Nous dénonçons le projet d'attribution de concessions (2) aux nouveaux investisseurs évoqué dans les media comme ayant reçu « une première réponse favorable des autorités » en août 2012. Des concertations préalables sont indispensables, impliquant notamment tous les citoyens des zones concernées, appuyés par des juristes et autres experts défendant les intérêts des paysans. Ces concertations comprendront des informations et des clarifications sur les différents types de contrats possibles, sur leurs conséquences respectives sur les droits des collectivités locales et des paysans ainsi que des précisions sur les bénéfices que tireraient le pays et les habitants de chaque type de contrat. Les autorités centrales et locales mais aussi tous les citoyens devraient tirer des leçons des récents mouvements sociaux autour de la société Rio Tinto-QMM à Fort-Dauphin liés à la contestation des indemnisations injustes des terres appropriées et du mode de recrutement des employés (4). 

Alors que de nouvelles menaces lourdes pèsent ainsi sur les terres malgaches, les investisseurs connus dont les projets ont déjà été rejetés par les Malgaches continuent d'agir. La société indienne Varun continue de cultiver dans le Nord du pays sous un prête-nom. La société Madagascar Future Entreprise, filiale de la société sud-coréenne Daewoo Logistics avait déclaré l'année dernière qu'elle avait « abandonné définitivement ce projet d'acquisition de terrain avec Daewoo depuis 2009 » (5) mais c'est son nom qui est mentionné dans la région Ouest comme étant le réalisateur des expérimentations de plantations de maïs au cours de l'année 2012. 

Selon les témoignages reçus, les négociations avaient été menées avec le Maire. Les promesses d'infrastructures (école, route, ..) seront réalisées seulement si les « essais » de cultures s'avèrent positifs. Les plantations seront alors étendues à d'autres régions. Les paysans vivant dans le voisinage de la plantation se plaignent du salaire bas et surtout du fait que les plantations de l'investisseur empiètent beaucoup sur les lieux de pâturages du bétail. 

En plus de l'utilisation de différents noms de leurs filiales, la nouvelle tendance insidieuse adoptée par les investisseurs et les négociateurs sur les terres agricoles malgaches consiste en effet désormais à découper les surfaces visées en plusieurs petites tranches et à contracter des baux emphytéotiques de courte durée mais renouvelables. Les investisseurs et les décideurs pensent ainsi moins attirer l'attention et ne pas provoquer la colère des populations. Mais les critères de renouvellement du bail ne sont pas clairs et les impacts négatifs sur les populations rurales restent les mêmes. 

Le cas d'accaparement de plus vaste surface de terres le plus connu à Madagascar actuellement et abondamment décrié ces derniers mois est le projet italien Biomasse Biocarburant Ihorombe de Tozzi Green qui vise 100 000 ha pour cultiver essentiellement du jatropha et s'est déjà vu attribuer 8 000 ha. Après la conférence de presse des éleveurs d'Ihorombe et la diffusion de notre communiqué sur le sujet, les responsables de cette entreprise ont fait des déclarations qui n'ont pas clarifié tous les aspects relatifs au(x) contrat(s) notamment (6). 
 
Graines de jatropha


Dans le contexte actuel d'opacité des informations sur les investissements sur les terres à Madagascar, de nombreuses questions se posent sur les suites données à l'invitation faite par le Chef de Région Boeny aux Chinois de venir travailler à Marovoay dans l'ancienne rizerie de la Fifabe (7) et à la promotion de l'agribusiness faite par une délégation malgache du Centre d'études diplomatiques et stratégiques en Chine (8) en 2011. Par ailleurs, la loi n° 2006-027 accorde le traitement de la nation la plus favorisée aux investissements chinois à Madagascar 9 et un décret adopté en Conseil des ministres le 15 décembre 2010 a créé une société holding Madagascar Development Corporation (MDC), où l'Etat malgache dispose de 15% des capitaux et le fonds China International Fund de 85% 10, pour réaliser des investissements dans le domaine agricole entre autres. Les industries extractives sont le domaine de travail de sociétés chinoises le plus connu à Madagascar, en association ou non à des Malgaches : la mise en place des projets d'exploitation du pétrole, de l'ilménite et du fer a dû impliquer l'expulsion des familles qui vivaient sur les zones concernées mais aucune information n'a été publiée sur les conditions d'éviction des paysans de leurs terres ni sur les conditions de travail des ouvriers malgaches sur ces sites pétroliers et miniers. 

 
La culture de riz hybride contraint le paysan à l’achat perpétuel de semences 

Dans le domaine agricole, quels sont les termes précis des contrats qui régissent les investissements chinois sur les vastes plaines autour de Marovoay, sur les 10 000 ha de plantations de canne à sucre de la société chinoise Complant et sur les terres du Centre International de Formation et de Vulgarisation de riz hybride chinois de Mahitsy ? La principale contrainte liée au riz hybride chinois dans le monde est que les paysans devront acheter des semences chaque année 11, source de dépenses en intrants plus importantes et d'une dépendance permanente, qu'un journaliste qualifie de « colonisation commerciale » 12. Jusqu'à présent, les semences sont offertes par tonnes gratuitement dans plusieurs régions pour habituer les paysans malgaches à utiliser le riz hybride chinois. 


Le Collectif TANY réitère la nécessité d'une mise à la disposition du public d'un état des lieux sur les terres malgaches déjà vendues et en cours de bail, l'urgence d'une transparence sur les contrats et sur les bénéfices attendus des différents investissements étrangers afin que tous les citoyens évaluent dans quelle mesure les projets concernés contribuent au développement du pays. Des modes de collaboration avec les investisseurs sans éviction des familles malgaches de leurs terres et augmentant réellement les revenus des paysans doivent être trouvés. Aucun nouvel engagement sur les terres ne devrait être pris par les autorités jusqu'à la fin des élections. 

Le Collectif TANY vous adresse ses meilleurs vœux pour l'année 2013. 
Paris, le 31 janvier 2013 
Pour le Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY 
Mamy Rakotondrainibe
 patrimoinemalgache@gmail.com 
http://www.terresmalgaches.info 
http://www.facebook.com/TANYterresmalgaches 
(1) http://terresmalgaches.info/IMG/jpg/JA_n%C2%B02702_21_au_27_octobre_2012_p42_001.jpg 
(2) http://www.chine-informations.com/actualite/asie/madagascar-veut-devenir-le-grenier-de-ocean-indien_10071.html 
(3) http://www.grain.org/fr/bulletin_board/entries/4298-l-ile-maurice-en-tete-des-acquisitions-de-terres-rizicoles-en-mozambique 
(4) http://www.telegraph.co.uk/finance/newsbysector/industry/mining/9797182/Rio-Tinto-threatens-to-exit-Madagascar-after-CEO-is-trapped-by-protesters.html 
(5) http://www.lexpressmada.com/5126/madagascar-future-entreprise-madagascar/31081-arret-definitif-du-projet-avec-daewoo.html 
(6) http://terresmalgaches.info/spip.php?article57 
(7) http://www.les-nouvelles.com/spip.php?article3285 
(8) http://www.lexpress.mu/story/24381-madagascar-economie--promotion-des-atouts-malgaches-en-chine.html 
(9) http://www.droit-afrique.com/images/textes/Madagascar/Mada%20-%20Convention%20investissements%20Chine.pdf 
(10) http://www.chine-informations.com/actualite/creation-une-societe-holding-entre-la-chine-et-madagascar_26623.html 
(11) http://www.grain.org/article/entries/188-l-accaparement-des-terres-de-rizieres-met-en-peril-la-souverainete-alimentaire-de-l-afrique 
(12) http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=20664:riz-hybride-chinois-vers-une-colonisation-commerciale&catid=45:newsflash&Itemid=58