Salama ry Malagasy havako ô !
Eto indray isika mianakavy. Mazava fa tsy hisy tokoa ny
fifidianana eto Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny fizotry ny
toe-draharaha samihafa.
TSINDRY ATAON’NY HERY IRAISAM-PIRENENA
Miara-miaiky ny rehetra ankehitriny fa
manindry mafy ny mpitondra tetezamita (sy ireo mpanao pôlitika sakaizany) ireo
hery iraisam-pirenena ivelany. Miharihary tokoa izany, na dia eo aza ny fiteny
diplômatika sy ny lainga tsara lahatra asesin’ireo iraka avy amin’ny ONU, SADC,
GIC-M sns. Iny volana jolay iny dia nivezivezy fatratra teto an-drenivohitra
ireo. Fanambarana mandrebireby no ventin-dresaky ny SADC sy Union africaine.
Ekena fa nampiaiky volana sy
nahavalalanina ny maro ny lisitry ny kandidà ho Filoham-pirenena navoakan’ny
CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana (1). Hafahafa ihany manko
ilay izy, kanefa didy tsy azo ivalozana izany (araka ny lalàna nananganana io
rafitra io an).
Dia indro kanefa fa mibaiko tsotra izao
ny vahiny hoe « Esorina ao amin’ny lisitry ny kandidà Atoa isany Didier
Ratsiraka sy Andry Rajoelina ary Rtoa Lalao Ravalomanana. »
Miharihary koa ny tsy fitovian-kevitry ny
samy matanjaka : ny amerikana, tamin’ny alalan’ny solontenany eto
Madagasikara dia nampahafantatra hoe « Aleo hirotsaka avokoa izay te-ho
kandidà amin’io fifidianana io, mba halalaka tokoa ny safidin’ny vahoaka
malagasy. »
Ny frantsay etsy andaniny mitsipaka mafy
ny firotsahan’izy telo mianaka. Miray hevitra amin’izany koa ny Vondrona
eorôpeanina, ary vao tamin’ity herinandro ity indray Rtoa Catherine Ashton no
nanamafy tao Bruxelles fa hilatsaka ny sazy ho an’i Madagasikara.
Tahaka ny mahazatra, hatramin’ny
septambra 2008, dia ny fanapahana ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara no
lazaina fa hampiharina. Manampy izany ny fanasaziana ireo Malagasy sasany
lazaina fa fototry ny fikatsoana ankehitriny : tsy mahazo
« visa » mankany an-dafy hono e, giazana ny fananany any an-dafy any
e…. Satria tsy voahaja hono ny fampiharana ny tondrozotra hihihi
Mahatsikaiky ô ?
Dia inona àry no ataontsika olom-pirenena
Malagasy eo anatrehan’izany ?
MIFOHA NY MALAGASY !
Mbola mibadabada aloha ny ankamaroantsika
eo anatrehan’izany tsindry izany. Kanefa mazava fa tsy mankasitraka ny
fitsabahan’ny vahiny eto amintsika, hatramin’izay ka hatramin’izao ny tena
Malagasy ao am-po. Ary sanatria, tsy fiarovana ireo mpitondra mihitsy no antony
tokony hijoroana ankehitriny.
Azo lazaina fa tsy fidintsika akory ireny
toe-draharaha samihafa nihatra teto, fa dia nangina isika.
Io fanginana io no tsy azo atao intsony
amin’izao.
Ary dia miteny sy mivondrona tsikelikely
ny olom-pirenena mitovy hevitra. Efa sahy maneho hevitra sy manolotra
vaha-olana ve isika e ? Sa inona no atao ? Tsy ny hery vahiny ihany
ange no mandrebireby fa ao koa, indrisy, ireo Malagasy miray petsapetsa aminy
e ! Indrindra ireo izay nomentsika fahefana !
Tsaroana ny hetsika feno fahasahiana
nataon’i Vahömbey tetsy Antaninarenina ny alakamisy 13 jona 2013, nilanja samirery sora-baventy
mihantsy ny fitondrana tetezamita tsy mahavita azy. hihihi ! Mankasitra
indrindra Tompoko ô !
Izany ny mpanakanto sy mpanao haiady
rehefa mijoro! (Sary Fanambinana
Madagasikara)
|
Nahafinaritra koa ny hetsika nataon’ny
antoko Otrikafo tetsy anoloan’ny Carlton Anosy ny asabotsy 13 jolay 2013 teo, raha mbola
nipetraka tao ry Ingahy Joaquim Chissano sy Ramtane Lamamra, solontenan’ireo
vondrona SADC sy Vondrona Afrikana. Nasehon’ny Otrikafo fa misy tokoa ny Malagasy
tsy mankasitraka velively ny fangaroham-bilany ataon’ireo vahiny ireo.
Ny indro kely, tsy mahataona olona io
antoko io, inona no antony ?
Tsy
dia nahazo olona loatra
ny
hetsiky ny Otrikafo (Sary Newsmada)
|
Mazava fa matahotra ihany ny olona. Kivy
koa eo anatrehan’ny haratsian’ny mpitondra.
– Sao dia mbola ho
voafitaka indray, hoy ny sasany, raha manohana antoko na mpanao pôlitika, aleo
itazatana fotsiny aloha.
– Efa tsy te-hiherika
pôlitika izany intsony izahay, hoy indray ny sasany. Efa mankaleo ny
fandangolangoana fanaony.
Marina avokoa izany hevitra rehetra
izany.
PAIKADY TAHAKA NY INONA NO ILAINA ?
Samy nahatsiaro ny « tolona »
nisesy teto isika, na hatramin’ny andron’ny Menalamba na VVS, na 1947, ka
hatramin’ny 1972, dia nitohy tamin’ny 1991, narahin’ny 2002 ary farany teo ny
2009.
Samy vontom-panantenana avokoa ny
olom-pirenena nanantena fiovana, fahaleovan-tena marina, fahafahana !
Indrisy fa nanondrana tanteraka izay
tafakatra teo amin’ny fitondrana.
Ka inona àry no antony e ?
Raha ny taty aorian’ny taona 1960 dia
hetsi-bahoaka mitovy fiseho no nisy teto. Mazava fa mitovy koa ny vokatr’izany.
Tokony hametraka paikady vaovao izany
isika. Diniho kely vetivety ange e !
Rehefa mitolona isika Malagasy, dia
mametraka olona eo amin’ny fitondrana, dia lasa. Eny, lasa isika miverina
amin’ny anton-draharahantsika mahazatra, tsy mihevitra intsony izay tokony
hampijoroana ny firenena. Asa mihitsy izay antony mahatonga izany, fa ny vokany
kosa dia manao izay hadalana rehetra tsy fanao (halatra, fangoronan-karena,
fanamparam-pahefana, sns) ireo olona nomena fahefana.
Tsy nisy naningana mihitsy ireo mpitondra
nifanesy teto tamin’izany fitondran-tena sampona izany.(2)
Misy andraikitra mavesatra avy amintsika
olom-pirenena tokoa izany ! Nahoana no tsy manara-maso ny asa ataon’ny
mpitondra isika, fa dia matoky an-jambany ? Sa ve izany tokoa ny hoe
miankim-po aminy satria niara-nitolona, dia izay ataony eo atokisana
tanteraka ?
Tsy izany no izy, fa mila paikady hafa
isika. Miara-mientana hatrany isika, ary hentitra amin’izay nomena fahefana. Na
fifidianana io na tolona, izay miakatra eo dia manana adidy eo anatrehan’ny olom-pirenena Malagasy tsirairay avy,
na nifidy azy na tsia, na nanohana azy na tsia.
Ny fototr’izao olana rehetra eto
amintsika izao dia tarazon’ny
fanjanahana (fanjanahan-tsaina indrindra indrindra), ankoatra ny fitiavan-tenan’ny Malagasy vitsy an’isa.
Inona àry no atao ? Samia mahatsiaro
tena ho tompon’andraikitra aloha isika tsirairay avy ô !
MIFOHAZA RY OLOM-PIRENENA MALAGASY,
N’AIZA N’AIZA MISY ANAO !
Mbola
hitohy…. :-)
(1)
Fanapahan-kevitry ny CES ATO
(2)
Singaniny ny Kolonely Richard Ratsimandrava, izay novonoin’olona raha vao
nitondra herinandro monja.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire